Video mpiara-dia amin'ny lesona faha-2 amin'ny andiany ihany izay mamaly ireto fanontaniana ireto: Amin'ny fomba ahoana no nampiasan'ny mpanoratra ny Soratra Masina ny talenta, fahaiza-manao, ary fomba fanoratra azy ireo rehefa nanoratra ny Soratra Masina? Amin'ny fomba ahoana no tsy afaka hahatakataka ny Soratra Masina tanteraka ny tsy mpino? Inona no dikan'ny teolojiana rehefa miteny izy ireo fa ny Fanahy Masina no manome "fanazavana" ny olona hanampy azy hahatakataka ny Soratra Masina? Nahoana no tsy afaka miantehitra amin'ny Fanahy Masina fotsiny isika hilaza amintsika ny dikan'ny Soratra Masina? Inona no karazana fiofanana sy fanabeazana no tena mahasoa antsika rehefa mandika ny Baiboly? Ahoana no fomba ampiasan'ny traikefa taloha hanampy na hanakana ny fomba ampiasantsika ny Soratra Masina amin'ny fiainantsika manokana? Mety hanakana ny fahaizantsika mandika ny Baiboly ve ny fahotantsika? Inona no anjara tokony ho an'ny finoantsika ankehitriny amin'ny fandikana ny Baiboly? Ahoana no tokony hiomanantsika hamaky ny Soratra Masina, ary nahoana no zava-dehibe ny fiomanana amin'ny fomba mirindra? Amin'ny fomba ahoana no tokony hiantehitra amin'ny Fanahy Masina isika rehefa mianatra ny Soratra Masina? Inona no fiantraikany tokony ho an'ny aingam-panahy amin'ny fomba fandikantsika ny Soratra Masina?
